<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Fanahy, Mpanavao anay FFPM186</title>
<lyrics>[V1]
 Fanahy, Mpanavao anay,
 Simban'ny ota izahay,
 Ka amboaronao indray,
 Havaozy ny fanahinay !

[V2]
 Avia, ry Afo masina,
 Ny ratsy aoka ho levona ;
 Ry Loharano velona,
 Tondrahonao ny efitra.

[V3]
 Ny lohataonanao anie
 Mba hampaniry soa be
 Sy hampamony ho Anao
 Izao tany karankaina izao.

[V4]
 Ny efitra sy tany lao
 Hihoby sy hidera Anao,
 Fa olom-potsy no ho ao ;
 Mpanompo teo fa afakao.

[V5]
 Ry lohataona maminay !
 Midina faingana aminay,
 Fanahy Mpanavao anay,
 Niandry ela izahay.</lyrics>
<hymn_number>186</hymn_number>
<author>Rabanus Maurus</author>
</song>